Sport

Rallye D-Max Ekipazy 36 no handray fiaingana


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Nikatona ny alatsinaniny hariva teo ny fisoratana anarana amin’ny Rallye D-Max izay dingana fah-5 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao ny sabotsy 19 septambra izao. Tratra ny tanjona, ekipazy 36 no handray ny fiaingana amin’io raha 35 no nokendren’ny mpikarakara. Hita ao avokoa ireo ngezalahy toy ny ekipazy Boom-Berthin, ry Mathieu sy ry Rivo…

 

 Ity ihany koa no hahitana mpandray anjara vehivavy be indrindra amin’ny tantaran’ny hazakaza-piarakodia eto amintsika satria mahatratra 17 ireo vehivavy nisoratra anarana ka efatra amin’ireo ny ekipazy vehivavy zato isan-jato ary ny sivy kosa mifangaro amin’ny lehilahy. Miara-mikarakara ity fifaninanana iray andro ity moa ny WIMS sy ny klioba AMA ary ny federasiona malagasy. Tsiahivina fa dingana enina mirefy 74km no voalahatra hifaninanana amin’io. Ny zoma 18 septambra izao no hanaovana ny fizahana ireo fiara eny amin’ny Galana By Pass ary aorian’io dia hisy ilay antsoina hoe Shakedown izay fanandramana ireo fiara mpifaninana rehetra amina sedra manokana eny Ambohimanambola sy Alasora iny. Azo antoka fa hangotraka ity indray mitoraka ity noho izy tena fohy sady mbola ady be rahateo ny filaharana nasionaly vonjimaika amin’izao fotoana.

Rasanda Serge

Hiady ny lohan’ny filaharana vonjimaika ny Team Berthin

 

Ireo sedra manokana:

8:25 (ES1) Anjeva Terrain 1 (7km)

8:54 (ES2) Xt Antanibe 1 (21,20km)

9:53 (ES3) Ambohimena 1 (9km)

11:55 (ES4) Anjeva Terrain 2 (7km)

12:24 (ES5) Xt Antanibe 2 (21,20km)

1:23 (ES6) Ambohimena 2 (9km)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT