Sport

Rallye ASACM Norombahan’i Mathieu, niala an-daharana ry Boom


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Norombahan’ny ekipazy Mathieu sy Tsiresy nitondra Mitsubishi Evo IX avy amin’ny ASACM mpikarakara ny andiany fah-9 amin’ny Rallye ASACM sady

 dingana fah-3 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao ny sabotsy sy alahady teo. Rallye izay somary fohy ary tsy nisy afa-tsy sedra manokana enina monja, nirefy 102,29km. 1:23:47 no fitambaran’ny fotoana nahavitan-dry Mathieu ireo sedra manokana enina voalahatra ireo. Vao niala an-daharana ny mpifanandrina akaiky indrindra an’i Zaza maditra dia very lavitra ireo nanaraka taty aoriana. Tafiditra lah-2 ny ekipazy FMMSAM, Tiana sy  Tsiory nitondra Subaru Impreza (+5’57). Lah-3 ny ekipazy mpivady Ndrianja sy Fanja nanamory Subaru Impreza (+6’17). Mihatsara hatrany  ny zava-bitan’ity ekipazy ity izay vao nisantatra niditra ao amin’ny gropy N 4 tamin’ity taom-pilalaovana ity. Tafiditra lah-4 ankapobeny fa voalohany amin’ny sokajy T2 ny ekipazy Haja Danielson sy Carol manamory Great Wall Wingles (+10’58). Lah-5 ankapobeny fa voalohany amin’ny M11 ry Nirina sy Rivo mamily P206 (+12’39). Fiara 19 tamin’ireo 32 nandray fiaingana ihany no tody hatramin’ny farany. Anisan’ireo ngezalahy niala an-daharana ry Boom-Berthin mitondra Mitsubishi Evo-X tamin’ny sedra voalohan’ny andro faharoa teny Tsaravinany noho ny olana tamin’ny “boite de transfert”. Niala andaharana koa ilay sangan’ny M11 dia i Tovonen sy ny Clio. Ny “Rallye de Boeny” indray no manaraka izay dingana fah-4 nasionaly hatao ny 28-30 aogositra any Mahajanga.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT