Rallye ASACM 2025

Tompondaka ny ekipazy i Tahina sy Rojo


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Norombahan’ny ekipazy Tahina sy Rojo Raben

avy amin’ny Club ASACM ny tompondakan’ny Rallye ASACM 2025, dingana faha-4 farany tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2025. Vitan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiara Subaru N16 nisalotra ny mariky ny Vidy Varotra tao anatin’ny 01:49:54,5 ny halavirana 328, 44 km , nisy dingana manokana na “ES” miisa 12 nisy halavirana 140, 50 km. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Mathieu Herii-Possible (Subaru N11 – ASACM): 01:51:40,0 ary fahatelo kosa ny ekipazy Frédéric Onja (Subaru N14 – ASACM): 01:55:56,5. Azo lazaina ho tena niady ny fifaninana, ary maozatra, saingy miakatra ny lentan’ny fifaninana. Raha ekipazy 28 no nandray ny fiaingana ny dia 18 sisa omaly tao anatin’ny andro farany. Taorian’ny andro faharoa no efa nitarika vonjimaika tamin’ny filaharana ankapobeny i Tahina Razafinjoelina sy Rojo Rabenanahary, raha somary mafimafy tamin’izy ireo ny tany amin’ny fiandohan’ny fifaninana. Nanaraka azy ireo 2 minitra sy sasany avy aoriana i Mathieu sy Herii Possible. Fahatelo kosa ry Fred sy Onja. I Kenny sy Océane ary Jeffy James sy Gianni kosa no mameno ny Top 5 100 % Subaru. Vao nanomboka ny andro faha-2 dia niala an-daharana kosa i Aro Kiady sy Elvis Danielson izay nitarika vonjimaika teo amin'ny andro voalohany. Nandresy tamin’ny ES 6 ; ES 12 ; ES 11 ny Ekipazy Tahina sy Rojo Raben, raha faharoa tamin’ny ES 7 sy ES 8. Ny ES 6 nirefy 18KM Antsahalava-Ambohimanga izay lava indrindra sady be fotoka no mafy indrindra kanefa niverenana indroa ka teo no isan’ny nahavitan-dry Tahina sy Rojo Raben ny fe-potoana tsara indrindra tamin’ny voalohany, ary faharoa tamin’ny faharoa. Tsara ny mampahatsiahy fa efa tompondakan’i Madagasikara i Tahina Razafinjoelina ny taona 2018.
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT