Sport

Rallye ASACM


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Nafohezina ny fifaninanana ary tsy an-kitsitsy Taorian’ny tsy naharaikitra ny Rallye ASACM tany Antsirabe ny tapaky ny volana jona teo dia hatao eto andrenivohitra indray ny fifaninanana


. Ny 8-9 aogositra no hanaovana azy io izay sady dingana fah-3 amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara. Notsorina sy nafohezina ity rallye ity satria sedra manokana enina ihany no voalahatra hatao mandritra ireo roa andro ireo ka sedra manokana telo atao ny sabotsy no hiverenana ny alahady. Mirefy 102,29 km ny halavan’ireo sedra manokana ireo ary tafakatra 215,91km rehefa miampy ny fampitohizan-dalana. Ireo lalana efa nampiasaina tamin’ny dingana voalohany nasionaly ihany no hampiasaina. Eny Ambohimalaza no hitoby ireo fiara mpifaninana fa tsy hiakatra tanàna mihitsy. Ny ahiahy tamin’ny tsy filaminana talohan’ny 26 jona teo no antony nanafoanana ny fifaninanana tany Antsirabe. Tsy midika ho fiatoan’ny fiarahamiasa amin’ny Dzama mpanohana akory izany fa mbola haverina any Antsirabe ny fifaninanana amin’ny taona ho avy io araka ny nambaran’ny mpikarakara.

“Lalana efa fantatr’ireo mpanamory tsara no hanaovana ny rallye ka tokony ho afaka hampivoatra ny fotoanany avy ireo mpifaninana. Hamboarinay koa ireo lalana ratsy” araka ny fanamarihan-dRabenantoandro Jimmy, sekretera jeneralin’ny ASACM.

Ny sabotsy 1 sy alahady 2 aogositra no daty ahafana manao fitsapan-dalana. Ho hentitra ny mpikarakara fanarahamaso any anatin’ireo sedra manokana mandritra ireo roa andro ireo. Ekipazy 30 mahery no handrasana handray anjara. Azo antoka fa hiady be ny fifaninanana isan-tsokajiny indrindra eo amin’ny ekipazy Boom-Berthin sy Mathieu-Tsiresy taorian’ilay disadisa nikasika ilay vokatra tany Ambositra iny.

Rasanda Serge

Ny ASACM mpikarakara sy ny federasiona

Ireo sedra manokana:

Sabotsy 8 aogositra

12:51 (ES1) Tsaravinany1 (19,12km)

2:23 (ES2) EPP Anorohoro (23,71km)

4:00 (ES3) Miadamanjaka1 (11,44km)

Alahady 9 aogositra

10:36 (ES4) Tsaravinany2 (19,12km)

12:18 (ES5) Ankadinandriana (17,46km)

1:45 (ES6) Miadamanjaka2 (11,44km)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT