Rallye ASA Tana

Ohatran’ny sary efa nandeha


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Hotontosaina ny faran'ny herinandro izao ny andiany faha 45 ny Grand Rallye International de Madagascar

izay karakarain'ny klioba ASA Tana ary tohanan'ny Sodirex.Misy 31 ireo fiara no handray ny fiaingana amin'ny lalana mirefy 504 km ary ahitana ES miisa12 ary mirefy 185 km.Toa ny fahita isan'andro hany izany ary na ny vokatra dia mety ny teo ihany no miverina.Isan'ny manana fiara raitra sy matanjaka P208 T16 izao i Faniry Rasoamaromaka fa tsy latsa-danja koa ny Mitsubishi Evo 10 entin'i Mika rahalahiny.Ara-taratasy izany aloha dia tsy misy mandilatra an'izy mirahakahy ireto saingy tsy izay foana no hita eny an-kianja satria eo dia eo koa ny Zaza Maditra sy ny Subaru-ny. Tena mafy raha i Mathieu Andrianjafy hany ka ho sarotra ho an'ireo mpifanandrina aminy ny handresy azy rehefa tena tafiditra izay izy.Mbola tsy resy tsy miady koa anefa i Frédéric Rabekoto izay mitondra Subaru.Ny fahaizan'ny rainy, Jeannot, sy ny zokiny, Titi, no hita taratra ao amin'ity zandry kely tena sahy ity.Raha samy tsy misy olana eny ampandehanana ireo mpifanina efatra ireo dia tena huady ity GRIM 2024 ity.Ny azo antoka dia mbola misy an' Fredy Rakotomanga sy ny Isuzu D Max ao miandry fotsiny izay manao adisoana dia ho tonga amin'ny angady sy ny harona ary izay vao tena ahafinaritra ny lalao na dia sary miverina aza.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT