Rallye ASA Tana

Mafy ry Rasoamaromaka


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Tapitra omaly ny fifaninanana Rallye tamin'ity taom-pilalaovana ity.

Ny Sunday Cup karakarain'ny ASA Tana no namaranana azy. Ary dia nofaranan-dry Rasoamaromaka tamin'ny fomba miezinezina satria dia i Faniry niaraka tamin'i Mahents nitondra ny Peugeot 208 izay fiara raitra indrindra sady matanjaka no voalohany. Laharana faharoa no nisy ny rahalahiny kambana aminy dia i Mika izay niaraka tamin'i Rasata teo amin'ny familiana ilay P. 206 WRC an'i Roi Lion taloha. Sarotra ihany ity Rallye indray andro ity fa 20 amin'ireo mpifaninana 36 teo am-piangana no tonga.Tonga fahatelo kosa i Dani sy Irdonen nitondra Subaru. I Mathieu Andrianjafy sy Andry Tahina izay nitana ny filaharana voalohany teo amin'ny laharana ankapobeny nandritra ny Rallye telo voalohany, no teo amin'ny ny laharana fahaefatra omaly raha nitondra ilay Subaru.Mitsubishi Evo 10 kosa no teo amin'ny laharana fahadimy ka i Yves Mau sy Rina no teo amin'ny familiana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT