Sport

Ralley – Tour de Tana Nahavita valin’ady ry Boom sy Berthin


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Roa izao no efa azo antoka taorian’ny Rallye Total! Norombahan’ny ekipazy Boom-Berthin manamory Mitsubishi Evolution X Shell Helix ny lah-1 tamin’ny Rallye Tour de Tana andiany fah-15 nokarakarain’ny klioba Asa Tan any sabotsy teo.

 Niady hatramin’ny farany ny fifanandrinana teo amin’ity ekipazy ity sy Mathieu-Tsiresy nanamory Mitsubishi Evo IX. 1.01.03 no fotoana nahavitan-dry Boom ireo sedra manokana niisa dimy ary nirefy 74,79km. Lasan’ny Team Berthin Shell Helix avokoa moa ireo sedra efatra tamin’ny dimy voalahatra ireo ka ny faharoa ihany no votsotra. 25 segaondra monja no fotoana nanasaraka ireo ekipazy roa miady mafy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny gropy N4 ireo. Mitarika lah-1 vonjimaika indray izany izao ry Boom ary mbola mitaky ny famoahana didy matotra sy mazava hatrany mikasika ilay disadisan’ny Rallye Mampiray tany Ambositra iny. Tafiditra lah-3 ny ekipazy Rivo-Aina mitondra Subaru Impreza (+3.07). Lah-4 ankapobeny fa lah-1 amin’ny gropy M12 ry Mamy-Alexandre manamory Mitsubishi Evo VI (+3.51). Lah-5 ankapobeny fa fah-2 amin’ny M12 i Dani-Hendry mamily Nissan (+4.39). Lah-6 ankapobeny ary voalohany amin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka i Ndrianja-Fanja mitondra Subaru Impreza (+4.52). Fiara 23 tamin’ireo 34 nandray ny fiaingana moa no nahavita hatramin’ny farany ity fifaninanana ity. Mboa miady tokoa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara indrindra ho an’ny gropy N4 ka ny RIM (13-15 novambra) izay dingana nasionaly farany no tena hamaritra izay tena mafy.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT