Sport

Rakotomamony Irintsoa Masoivohon’ny hetsika « Football for Friendship »


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Rakotomamonjy Irintsoa, zazavavy Malagasy 14 taona, dia anisan’ireo ankizy masoivohon’ny hetsika « Football for Friendship ».

 

 

Nandray anjara tamina "visioconférence" iray ireo ankizy ireo tamin'ny andro manerantany ho an'ny tontolo iainana. Tanjona tamin'izany ny hanentanana olona maro mahakasika ny fiarovana ny zava-boahary. Tafiditra tao anatin’ny andiany faha-valo amin’ny Gazprom International Children’s Social Programme Football for Friendship ilay hetsika fanentanana. Ankizy avy any Aruba, Cote d'Ivoire, Danemark, Madagasikara, Namibia ary Pakistan no niara-nandray anjara tamin’ity conférence ity. Nodinihan'izy ireo tamin’izany ny olana mianjady ny tontolo iainana, ny fiarovana ireo biby efa ho lany tamingana, ny fanaovana asa an-tsitrapo ary koa ny fampielezan-kevitra atao isaky ny firenena mba hiarovana ny tontolo iainana. « Ny olona rehetra dia manana anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana... Ary tena zava-dehibe tokoa ny miaro ity tontolo iainantsika ity » hoy i Irintsoa, manao antso avo amin'ireo ankizy toa azy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT