Sport

Rakotomalala Tsiory DTN Atletisma Nanazava ny raharaha Rasoarimalala Paquerette


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Nitondra fanazavana mikasika ny raharaha Rasoarimalala Paquerette « Pà » mpihazakazaka avy any Miarinarivo ary tompondaka 2019 ny ligin’ny atletisma any Itasy nahabe resaka an-gazety,

 

 

 

 indrindra tany amin’ny tambajotra sosialy samihafa nielipatrana nanerana ny nosy sy naneran-tany mihitsy aza izay  tsy afaka niatrika ny fifaninanam-pirenena « Cross Country 2019 » notontosaina tany Fianarantsoa tamin’ny sabotsy 16 febroary lasa teo, Rakotomalala Tsiory DTN « Tale Teknika Nasionalin’ny FMA » am-perinasa. Nambarany fa efa nifampiresaka mazava tamin’ny CTR ny ligin’Itasy izy ary nahazo fanazavana fa nisy ny tandrevaka nataon’ity ligy misy azy ity no nahatonga an’i Pà tsy ho tafiditra tao anaty solontenan’ny ligin’Itasy na dia voahosotra ho tompondaka 2019 aza. Rehefa nandefasana fanasana hanatrika ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly « Cross Country 2019 »  any Fianarantsoa ny ligin’Itasy, hoy izy, dia vita hatreo ny anjaran’ny federasiona fa ny ligim-paritra tsirairay avy no mikarakara ny atletany  « qualififiés » avy ho tonga any Fianarantsoa ary dia anjaran’ity ligy mpandray ity no mikarakara ny amin’ny pitsopitsony fanatanterahana ny fifaninanana manontolo. Fantatra avy amin’ny tatitra azo, hoy izy, fa tsy ampy hoenti-manana ny ligin’ny Atletisma any Itasy ka nifampiraharaha amin’ireo ray aman-dreny afaka hiantoka ny fandefasana ny zanany hifaninana any Fianarantsoa ary dia teo no nampihintsana an’i Pà. Etsy an-kilany koa rehefa nohamarinina dia nisy ny gaboraraka nataon’ity ligy ity fa tsy misy sary ny « licence » filalaovan-dRasoarimalala Paquerette ary tsy nitovy ny ranomaintin’ny penina nanoratana ny anarany sy ny taona mampanankery an’io “Licence” io. Mazava loatra fa tsy mbola naverina nosoratana tany amin’ny FMA io « Licence » io. Efa nandraisako fepetra amin’ny maha samy teknisianina anay io CTR-n’Itasy io fa ny mikasika ny filohan’ny Ligy kosa dia ny filohan’ny FMA “Federasiona” no afaka manapa-kevitra ny aminy amin’ny maha olom-boafidy azy ireo. Marihiko eto am-pamaranana, hoy Atoa DTN, fa anisan’ireo  tsy afaka nandray anjara tamin’ny “Cross Country 2019”  tany Fianarantsoa koa i Vavar izay efa “Qualifié” amin’ny J.O.I  ho avy nefa tsy nisy niresaka mihitsy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT