Sport

RakotoarimananaTôta Henintsoa “Ndao halamintsika samy Malagasy ny olan’ny FMF’


  • Talata 20 Febroary 2018

Hazakazaka rodobe niainga tetsy amin’ny garan’i Soarano ka nifarana teny amin’ny kianjan’i Mahamasina,tamin’ny sabotsy 17 febroary teo, no nanombohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga notarihan’ny filohany RakotoarimananaTôta Henintsoa notronin’olo-manan-kaja maro, ny filohan’ny FMF sy ireo ben’ny tanàna namany ary koa ny orange mpanohana ofisialy sy ireo filohan’ny klioba sy ireo mpilalao marobe, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2018.

 
Natolotra tamin’io fotoana io teo am-povoan’ny kianjan’i Mahamasina ireo amboara ho an’ireo nahazo izany tamin’ny taom-pilalaovana 2017 (Ireo tompondaka isan-tsokajiny, ireo mpilalao sy mpitsara mendrika samihafa  sns…). Navoitran’i Tôta Henintsoa, filohan’ny ligin’Analamanga tao amin’ny kabary nataony fa kihon-dalana ho an’ny baolina kitra Malagasy ity taona 2018 ity.Aoka  mba ho isika Malagasy fa tsy ny avy any ivelany no hamaha ny olana misy e o amin’ny fitantanana ny kitra Malagasy ary mifanaraha ianareo nitonona ho kandidà ho filohan’ny FMF hampandrosoana ny kitra Malagasy, hoy izy. Lalao fihantsiana nihaonan’ny ekipan’ny ligy sy ireo ben’ny tanànan’Analamanga sy ny lalao famaranana ny kitra fiangonana2017 :: Filamatra Ambodiafontsy 2 – 0 Us Fiadanana Maritiora no nanokatra ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ity ligy ity. Ny alahady kosa no nisy ny lalao ligue 1 maromaro : Mama Fc 0 – 0 CNaPS Sport Tanà ; Uscafoot 2 – 2 Cosfa ;  Tanà Formation 1 – 1 Elgeco Plus  ;  Fosa Juniors Tanà 2 – 0 Mi-20  ; Cospn 1 – 4 As Adema.

 

NtsoavinaEvariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT