Sport

Rakoto Grenat - Moramanga Mitohy ny fanampiana ny mpiara-belona sahirana


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Nanohy ny asa soa mahazatra azy amin’ny fanampiana an’ireo olona sahirana any ambanivohitr’i Moramanga Atoa Rakoto Grenat mpandraharaha avy any Ambohitranjavidy Moramanga sy ny fianakaviany ary ny mpiara-misehatra aminy.

 Ny faran’ny herinandro teo dia nanolotra fanomezana (vary fotsy sy hazo hanamboarana fandriana) ho an’ireo gadra ao amin’ny fonjan’i Moramanga izy sy ny vady aman-janany, avy eo nanolotra fanomezana hafa koa (vary fotsy sy kilalao) ho an-dry masera ao Moramanga ihany ary nofaranany tamin’ny fanolorana vary fotsy 5 kg avy ho an’ny olona sahirana 40 isaky ny fokontany 13 misy ao ambanivohitr’i Moramanga tao amin’ny hotely Bezanozano izany. Tsy hiandrasana vanim-potoana  hakana fahefana amin’ny vahoaka ny fanaovana asa soa  sy fitsinjovana ny mpiara-belona, hoy Rakoto Grenat, fa tanterahana mandavan-taona toy izay efa nataonay hatramin’izay.

 

Ntsoavina Evariste  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT