Sport

Rakoto Grena tany Ambohitranjavidy Moramanga Nahazo tso-drano tamin’ireo tangalamena sy oloben’ny tanàna


  • Talata 19 Martsa 2019

Tao anatin’ny asa soa efa fanaony an-taonany maro ka nizarany omby 1 sy vary fotsy ho an’ny zokiolona sy vahoaka sahirana tao amin’ny fokontanin’Ambohitranjavidy toerana fiaviany,

 

  tamin’ny faran’ny herinandro teo, no nanomezan’ireo tangalamena zanantany sy oloben’ity tanàna ity tso-drano an’Atoa Rakoto Grena mpandrahara sady mpitatitra any amin’iny Faritr’Alaotra Mangoro iny izay nirotsaka  ho kandida ho solombavambahoaka ho fidiana amin’ny faha-27 mey 2019 ho avy izao. Izy sy ny mpiray lisitra aminy izay zanatany miainga avy any ifotony avokoa no voalohany nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny Ovec Moramanga. Olona tia mifanerasera amin’ny tontolo ambanivolo any Mangoro Moramanga an-taonany maro Rakoto Grena ka nanome toky fa hitondra ny tenin’ny vahoaka ho soloiny vava eny amin’ny Antenimieram-pirenena rehefa lany soa aman-tsara hoentina manasoa sy mampandroso ny distrikan’i Moramanga nirotsahany sy i Madagasikara manontolo mihitsy aza.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT