Rakool sy ny A.C Arlesien

Manga ny lanitra hatreto


  • Talata 16 Janoary 2024

Manga ny lanitra hatreto eo amin’i Rakool na Koloina Razafindranaivo sy ny klioba

ivelarany ao Frantsa dia ny A.C Arlesien, izay anaty fifaninanana rejionaly ao an-toerana na R1 eo amin’ny taranja baolina kitra. Namono baolina indray ity avokavoka mpanafika malagasy ity ny alahady teo. Azo lazaina ho maha velombolo ihany koa, etsy ankilan’izay ny mikasika ireo mpilalao malagasy hafa ankoatran’ity zandrikely 23 taona ity satria ny kapitenin’ny sady avokavoky ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha na Barea, Ibrahim Amada, moa izany dia iny lasan’ny Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand, miaraka amin’ilay lohalaharana Njiva Rakotoharimalala, 31 taona iny ihany koa amin’izao izy handia ny faha 34 taonany izao. Arnaud Randrianantenaina ihany koa izay lohalaharana milalao ao amin’ny El Gouna FC, divizionina voalohany ao Ejipta, 23 taona, dia nametrahan’ny mpanazatrany fitokisana misimisy kokoa satria dia ny tovolahy no niantsoroka ny andraikitra maha kapiteny nandritry ny lalao nataon’ny ekipany farany teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT