Sport

Rajoelina sy Coach Rabe Mangatsiatsiaka ny fifandraisana


  • Zoma 11 Jona 2021

Nitokana ny kianja vaovao teny Ambohidratrimo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly.

 

 Navoitrany tamin’izan fa hametraka ny fanantanjahan-tena ho antoky ny hambopom-pirenena ny tenany. Io no tanjona kendretsika amin'ny fanatanterahana ny Velirano faha-13, hoy I Andry Rajoelina. Nisongadina ny fiarahany naka sary tamin’I Abel Anicet, kapitenin’ny Barea, mitondra ny laharana faha-13 ao anatin’ny ekipam-pirenena, raha faha-12 any anatinny kliobany. Tonga teto Ambohidratrimo ny tenako ny 17 desambra 2018 ary nangataka kianja manara-penitra tamiko ireo tanora teto. Ny teny nomena dia tsy maintsy tanterahana ka androany dia atolotra amin'ny fomba ofisialy ho an’ireo tanoran'Ambohidratrimo ity kianja manarapenitra ity izay nahazo ny fankatoavan’ny FIFA sy ny CAF ka afaka hampiantrano ireo lalao iraisam-pirenena, hoy izy. Tetsy ankilany, nisafidy ny hanatanteraka ny fanazaran-tenany eny araka izany ny ekipam-pirenena Barean’I Madagasikara izay ao anatin'ny fampivondronana ankehitriny. “Miarahaba ny mpanazatra vaovao sy ny ekipany ary ireo mpilalaon'ny Barea rehetra ny tenako. Mirary soa ho azy ireo ary manantena fa hampamiratra indray an'i Madagasikara izy ireo. Miara-mirona indray manohana azy ireo ny vahoaka Malagasy manotolo ary matoky azy ireo isika fa hanoratra indray ny tantara ka hahatafiakatra an'i Madagasikara amin'ny fandraisana anjara voalohany amin'ny “Mondiale”. Mba hampiray ny Malagasy rehetra ny fanatanjahantena. Alefa Barea”, hoy I Andry Rajoelina.

MANGATSIAKA NY FIFANDRAISANA…

 Na niarahaba an’i Eric Rabesandratana aza i Andry Rajoelina, dia tsy nisy ny fifanantonana manokana tamin’izy ireo. Mangatsiatsiaka ny fandraisan’ny Mpitondra tarihin-dRajoelina sy ny mpanazatra vaovao, ary toa mitory hafatra ny zava-nisy omaly. Efa niteny moa ny Filoha Rajoelina volana vitsy lasa izay, fa tsy famotehana an’I Nicolas Dupuis fotsiny no nanesorana azy, fa famotehana ny kitra Malagasy mihitsy. Niainga tamin’ny Filohan’ny FMF Arizaka Rakoto Raul izay henjehin’ny fitondrana rahateo ny fanesorana teo aloha sy ny fanendrena mpanazatra vaovao. Sary isan’ny nandrasan’ny maro ny fihaonana teo amin’ny mpanazatra vaovao sy ny Filoha, saingy tsy nahitana izany ny sary ofisialy, fa ny an’ny Filoha sy ny Kapiteny no nasongadina. Irariana na izany aza mba tsy hiantraika any amin’ny ekipam-pirenena ny fifandraisana to marisarisa. “Mila miray fo sy miray hina ianareo mba hanandratra avo ny voninahim-pirenena ary aorianareo mandrakariva ny vahoaka Malagasy" hoy moa ny Filoha mantsy ny Barea. Mirona betsaka amin’ny resaka kianja I Andry Rajoelina tato ho ato, izay zavatra tsara. Tena mitovy amin’ny fihazakazahana amin’ireny ve anefa ny lafiny sosialy, toekarena,… izay tena mena tanteraka ny tondro ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT