Sport

Rajaonson Eric Maro ireo kandida niantso sy niresaka taminy


  • Zoma 28 Septambra 2018

Na dia tsy nandrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho kandida filoham-pirenena Malagasy amin’ity taona 2018 ity araka ny nambaran’ny tamin’ny volana jolay 2018 teo aza Atoa Rajaonson Eric mpanorina ny Hetsika

 

« Areno ny firenena » dia maro amin’ireo kandida ofisialy 36 ankehitriny  no niantso sy niresadresaka fiaraha-miasa taminy nefa dia ny filohan’ny antoko  « Orimbaton’i Madagasikara », Solonandrasana Mahafaly Olivier, no heveriny fa manana foto-kevitra manakaiky  fomba fijery amin’ny  azy noho izy olona manam-panahy ka tsy manavakavaka ara-pinoana sy ara-poko ary ara-pirazanana  ary noporofoiny tamin’ny nifidianany ny tenany  izay olona avy eto Imerina ho talen’ny fampielezan-keviny izany. Faharoa manaraka izany dia nambaran’i Eric Rajaonson fa ny filohan’ny OM ihany koa no vonona hamerina ny hasina maha-Malagasy ary ho azy ny laharam-pahamehana dia ny fiainana an-davanandron’ny olona.

Ntsoavina Evariste

 

-

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT