Sport

Raikitra ny Pro League Sambany handray ny fifaninanana i Port Bergé


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Raikitra indray ny Pro League ny faran'ny herinandro izao. Faran'ny herinandro hiavaka satria sambany mba handray fifaninanana i Port Bergé.

Ary Fe fifaninanana fotsiny fa tonga dia ny Fosa Juniors izay nanana mpilalao be indrindra tao anatin'ny Barea CHAN. Hiaka-tsehatra ao izany i Dax izay voafidy indroa ho mpilalao mendrika indrindra. Ao koa i Jean Yves, Rado Kely, Naina Avizara ary Donga. Ny tsy fantatra dia ny hoe Mbola mahazo milalao ve i Tsiry sa tonga dia lasan'i Al Ittihad any Libya. Na izany na tsy izany dia ho sarotra amin'ny ASA Nosy Be no handresy ireto Mahajanga ireto. Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina dia ny hoe ho tonga marobe amin'izany ve ny olana hanohana satria miankina amin'izao ny tena ho avin'ity baolina kitra malagasy ity. Aoka tsy ho adino fa matoa miroborobo ny baolina kitra any Eoropa dia noho ireo olona marobe mameno kianja .Raha tonga amin'izay tanjona izay mantsy dia afaka sahady manokana ny ampahany ho an'ny ekipam-pirenena, ary ampahany ihany koa ho an'ireo klioba roa hisolontena antsika any amin'ny fifaninanana afrikanina. Soso-kevitra ihany io fa hanaiky an'izany ve i Tota, izay vao lany ho filohan'ny Pro League sady mbola filohan'ny Ligy Analamanga no ben'ny tanàna an''Andoharanofotsy. Kasikety telo samy nandalo fifidianana (mandat électif) fa dia mety angamba matoa tsy misy manakiana. Avelao ho saintsainina io fa toy izao aloha ny fandaharan-dalao amin'ity faran'ny herinandro ity.
FANDAHARAN-DALAO
Sabotsy 11 febroary
 Kianja Ambohidratrimo 2 ora sy sasany : Tsaramandroso vs COSFA Toamasina
 Barikadimy, 2 ora sy sasany AS Fanalamanga vs Tia Kitra
 Stadium Elgeco Plus 2 ora sy sasany MAMA FC vs JET Kintana.
Alahady 12 febroary
 Kianja Port Bergé, 2 ora sy sasany ASA Nosy Be vs Fosa Juniors
 Kianja Ambohidratrimo, 2 ora sy sasany Ajesaia vs Uscafoot
 Stadium Elgeco Plus 2 ora sy sasany Disciples FC vs Zanakala
 Kianja Maître Kira Toliara, 2 ora sy sasany 3FB vs CFFA.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT