Raikitra ny « FIBA 3x3

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona


  • Alakamisy 12 Martsa 2026

voalohany amin’ny Ankoay lahy sy vavy

Efa tonga any Bangkok hanatrika ny FIBA 3x3 Champions Cup 2026 izay hatao ny 13 ka hatramin’ny 15 marsa ny Ankoay ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy amin’ny basikety 3x3. Tonga miaraka amin’ny delegasiona tarihin’ny mpanazatra Elie Rakotonindrina izy ireo, ary hanomboka amin’ny lalao fanomanana hifandonana amin’i Espaina. Taorian’ny fandresena roa sosona nibatana ny tompondakan’i Afrika farany teo, dia voafidy indray ny Ankoay hanatrika ity fifaninanana lehibe ity izay mampivondrona ireo firenena matanjaka indrindra maneran-tany. Ny ekipan-dehilahy dia ahitana an’i Livio Ratianarivo, Elly Randriamampionona, Arnol Solondrainy ary Anthony Rasolomanana. Ny ekipan-devehivavy kosa dia i Sydonie Andriamihajanirina, Jaofera Christiane Minahoarisoa, Tokiniaina Sambatrarimiora ary Sarobidy Randriatahiana no mandrafitra azy. Ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ity fifaninana lehibe any Bangkok dia manamarika fanamby vaovao indray ho an’ny basikety malagasy, satria tsy vitan’ny hoe mitondra ny voninahitry ny firenena amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, fa manaporofo ihany koa fa afaka mifaninana amin’ireo ekipa lehibe indrindra eran-tany. Ny fanomanana amin’ny alalan’ny lalao hifanandrinana amin’i Espaina dia heverina ho fitsapana lehibe hahafantarana ny tanjaka sy ny fahavononan’ny Ankoay amin’ity fifaninanana goavana ity. Ekipa goavana eran-tany 8 no mandray anjara ho an’ny lehilahy, ka tahaka izao ny filaharany miainga amin’ny isa na « points » an’ny Firenena tsirairay : Serbie tompondaka farany, Etazonia, Pays Bas, Lithuanie, Espagne, Asutralie, Madagascar, ary Thailand mpampiantrano. Ho an’ny vehivavy kosa dia 8 ihany koa : Pays Bas, Epagne, Canada, Etazonia, Australie, Azerbaidjan, Thailand, ary Madagasikara. Raha ny fandaharan-dalao kosa, hifandona amin’i Australie ny Ankoay lahy izay anatin’ny Vondrona rahampitso 13 martsa ho an’ny lalao voalohany, ary hifampitady amin’i Etazonia kosa ho an’ny lalao faharoa. Ho an’ny vehivavy kosa dia Etazonia avy hatrany no hihaona amintsika rahampitso, raha i Australie kosa ny lalao faharoa amin’ny sabotsy. Mirary fahombiazana sahady ho an’ny Ankoay !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT