Raikitra ny FIBA 3x3 Champions Cup 2025

Faha-7 tsara indrindra ny Ankoay lahy, hivantana amin’ny TVM


  • Zoma 14 Martsa 2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

ny fifaninana goavana « CHAMPIONS CUP BASKET 3x3 » izay andraisan’ny ekipam-pirenena Malagasy roa tonta dia ny Ankoay lahy sy vavy anjara. Handeha mivantana amin’ny TVM noho fiaraha-miasan'ny FIBA sy ny ORTM, raha ny fampahafantarana ofisialy omaly. Amin'ny 12 ora atoandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva ora Malagasy mandritra io telo andro io ny lalao rehetra. Anio 14 martsa amin’ny 3ora sy fahefany tolakandro no hiakatra an-kianja voalohany ny Ankoay lahy, ka hisedra avy hatrany an’i Serbie laharana voalohany maneran-tany amin’ny FIBA 3x3. Anio amin’ny 5ora sy 5minitra hariva kosa dia hifandona amin’i Autriche. Rahampitso 15 martsa amin’ny 4ora sy 50 minitra kosa no hiatrika ny lalao fahatelo amin’i Pays-Bas. Miankina amin’ny vokatra azo amin’ireo ny dingana manaraka. Ny Ekipa vehivavy tarihin’i Jaofera Christiane Minaoharisoa kosa dia hifanandrina amin’ny Sinoa ny 14 martsa (amin’ny 2ora sy 45 minitra), ary avy eo hifandona amin’ny Kanadiana (4ora sy 45minitra). Rahampitso 15 martsa (amin’ny 4ora kosa) kosa no hifandona amin’ny Alemà amin’ny lalao farany amin’ny vondrona. Ny maha tompondakan’i Afrika ny Ankoay no nahafahantsika miatrika an’ity fifaninana avo lenta handraisan’ireo sangany maneran-tany amin’ny basket 3x3 ity. Ireo tompondaka isaky ny kaontinanta, ny laharana voalohany araka ny fanasokajian’ny FIBA, ireo nahazo medaly volamena, ary ny firenena mpampiantrano raha hiverenana no mandray anjara. Araka nambaran’ny FIBA, isan’ny mpilalao manana fahaiza-manao ahafaha-miatrika mpifanandrina na iza na iza amin’ny basket 3x3 i Elly Randriamampionona mpilalao malagasy mitana ny laharana voalohany. Ankoatra izay, mialohan’izao FIBA 3x3 Champions Cup 2025 izao, dia mitana laharana faha-7 amin’ny « top 8 » ho an’ny sokajy lehilahy i Madagasikara izay eo alohan’i Thailande ary aorian’i Australie. Voasokajy ho isan’ny ekipam-pirenena sarotra resena amin’ity fifaninana goavana tanterahana any Bangkok ity.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT