Sport

Raharolahy Agnčs Malagasy mamiratra any Eoropa


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Mamiratra ny Malagasy rehefa omena sehatra ivelarany. Porofon’izany ny nitranga omaly tany Zurich nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa eo amin’ny taranja atletisma

Anisan’ny nanamarika io andro io ny famaranana teo amin’ny hazakazaka 400 metatra inefatra mifampitohy, nandrombahan’ny ekipa frantsay ny medaly volamena. Malagasy ny iray tamin’izy efa-bavy niaro ny voninahi-pirenena frantsay, dia Raharolahy Agnès. 3'24''27  no fotoana vitany niaraka tamin-dry Marie Gayot, Muriel Hurtis sy Floria Guei. Midika izany fa rehefa omena sehatra sy tsara tohana ny Malagasy dia tsy ambakain'ny hafa ary lasa lavitra. Miampy tosika kely ireny Afrobasket ireny dia lasa toy ny taranja hafa. Ny taranja rugby no nentin'i Mandela tatsy Afrika Atsimo nampiraisana sy nampivondrona azy ireo, nefa nahitan'izao tontolo izao azy. Lasan’i Okraina  (3’24’’32) ny medaly volafotsy ary teo amin’ny laharana faha-3 nahazo medaly alimo ny tovovavy britanika (3'24’’34).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT