Sport

Raharaha Delors Any amin’ny fitsarana ny baolina


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Anisan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro tato ho ato ny mikasika ny fampidirana am-ponja ny tale kabinetran’ny lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany Atoa Delors.

 

 Rehefa nanontaniana ny Lehiben'ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Atoa Rémi Vincent Andrianjanaka,  dia nambarany fa  efa   eny anivon'ny fitsarana ny raharaha ka aleo izy no  hanohy an-tsakany sy an-davany ny asany".Tsy nahazoana valin-teny  firy izy  ary nanda mafy tamin’ny fanontaniana napetraka taminy raha  miray petsapetsa tamin'ity mpiara-miasa aminy naiditra am-ponja vonjy maika ity ny tenany na tsia. Etsy an-danin’izay, ny minisitra mpiahy ny  faritra Vatovavy Fitovinany, Atoa Beboarimisa Ralava  dia nanamarika fa matoky ny fitsarana malagasy izy, ary nanamafy fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Tsiahivina moa fa resaka fanodinkodinam-bola no nampidirana am-ponja vonjimaika ity talen’ny kabinetran’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ity.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT