Sport

Raharaha Barea Raharaham-panjakana io, hoy ny FMF


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Raharaham-panjakana mihitsy, hoy ny filohan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasionina Malagasin’ny baolina kitra, Alfred Randriamanampisoa, ny raharaha Barea.

Nilaza ho mbola tsy afaka miresaka ny andinindininy moa ny tenany omaly raha tsy aorian’ny filankevitry ny minisitra. Mikasika ny lalao fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenena dia ny eo amin’ny raharaham-barotra na “transaction”, toy ny lafiny tapakila na “billet” ihany, hoy izy, no andraikitry ny FMF. Iza izany no afaka tena hanazava ny olana mianjady amin’ny baolina kitra Malagasy ankehitriny, Indrindra, fa ny mikasika ny ekipam-pirenena izay tsy mbola tena hita izay firenena hifampitsapa aminy hatramin’izao ao anatin’izay fanomanan-tena hiatrehana ny fifanintsanan’ny CAN 2022 izay ? Ny lalao tokony nihaonana tamin’ny Burkina Faso saika nafindra tatsy Maraoka raha tokony ho tao Portugal. Nony voaomana daholo indray anefa ny tao Maraoka dia nofoanana noho ny fanapahan-kevitr’ireo mpitantana ny baolina kitra Malagasy ilay lalao. Rehefa namaivay ny tsikera dia heno taty aoriana fa ry zareo Ganeana indray no hifampitsapa amin’ny Barea ny 12 oktobra izao, raha ny fampahafantarana nataon’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, ny 29 septambra teo. Iny andro iny ihany anefa dia hita tanaty tambazotran-tserasera maro fa hifandona amin’ny ekipam-pirenen’i Qatar koa ny ekipam-pirenen’i Ghana. Ny ekipa A sa B amin’ireto Black Stars avy atsy Ghana ireto izany no hifandona amintsika sa hihonona fotsiny amin’ny fihaonana amin’ny Swift Esperage, izay ekipa divizionina voalohany atsy Luxembourg ?

 J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny CE an’ny FMF, Alfred Randriamanampisoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT