Sport

“Racing Madagascar” Raikitra ny andiany faharoa


  • Talata 13 Jona 2017

Hotontosaina ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay any Antsiranana ny andiany faharoa amin’ny Racing Madagascar na ny hazakazaka an-tongotra “trail running à Madagascar” izay karakarain’ny Boogie Events, tarihan’i Patrice Raoull,

rantsana mikarakara fanatanjahantena ao amin’ny Boogie Pilgrim izay misahana ny raharaha “Tour opérateur” nanditra ny 30 taona teto Madagasikara. Raha ny marina dia hetsika ara-panatanjahantena mifototra amin’ny singa 3 ity fifaninanana ity dia ao ny Défi Sportif izay hanatanterahana ny fifaninanana hazakazaka an-tongotra hanatontosana dingana 6 hovitaina ao anatin’ny 6 andro, ny “Découverte touristique” handalovan’ny mpifaninana toerana kanto any amin’ny Faritra DIANA ary farany ny “Solidarité sportive” handraisan’ny mpihazakazaka miaraka amin’ny federasiona Malagasin’ny atletisma amin’ny faran’ny fifaninanana. Niakatra raha oharina tamin’ny andiany voalohany ny isan’ireo handray anjara satria 29 raha 23 tamin’ny 2016 ahitana atleta Malagasy 21, atleta vahiny 8 (Afrikanina tatsimo, Amerikana, Argentin ary Suedois). Niakatra ho 7 ihany koa ireo mpifaninana vehivavy raha 2 izany tamin’ny 2016. Handrasana fatratra ny fandraisan’i Taban Madiba tompondaka tamin’ny 2016.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT