Sport

Rababany Christophe Kick Boxing Voaasa teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina


  • Talata 18 Desambra 2018

Na dia mbola amin’ny alalan’irony “Fauteil roulant” irony aza ankehitriny no hivezivezen-dRababay Michel Christophe, ilay kalazan’ny taranja kick boxing Malagasy izay efa nibata ny anaram-boninahitra tompondaka lefitra eran-tany tamin’ny taona 2005 ary efa tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana im-betsaka,

 

  dia nasain’ny Federasiona Malagasin’ity taranja maminy ity izy ny faran’ny herinandro teo hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja kick boxing notontosaina ny 14,15 ary 16 desambra teo tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary dia mbola nanana anjara fiakarana teo ambony sehatra mihitsy nanao “demonstration” kely amin’ny fampikotranana boaikely hampianarina an’ity kick boxing ity. “Tsy mandry ny sain’ny tena, hoy izy, raha vao mandre fifaninanana kick boxing tahaka izao ary dia izao voaasan’ny Federasiona hanatrika ety izao.  Raha ny fahasalamako no asian-teny, hoy izy, dia efa afa-mihetsika ny tapany ambony amin’ny tenako fa ny ratsambatako  ambany no tsy afaka fa mbola ao anatin’ilay aretina “paraplégie”tanteraka taorian’ilay lozam-pifamoivoizana tamin’ny taona 2015 nahazo ahy ka mbola tohizana hatrany ny fitsaboana efa nimasoana ary dia efa tena mianto-tena tanteraka amin’ny fisahanana an’izany samirery izaho sy ny ankohonako ankehitriny. Tazana  tsy nitsahatra nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny federasiona am-perinasa Rababany Christophe  teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ary azo inoana fa torohevitra manodidina ny fikarakarana an’ity taranja no nomeny tamin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT