Sport

Qatar Stars League Laharana faha 6 vonjimaika ry Amada


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Taorian’ny fihaonana tamin’ny Al Arabi, eo amin’ny amboaran’i Qatar ho an’ny divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra dia mitoetra eo amin’ny laharana faha 6 vonjimaika eo amin’ity fifaninanam-pirenena Qatari ity ilay irakiraka afovoany Malagasy, Ibrahim Amada,

 

 

 

sy ny ekipany ao amin’ny Al khor sport club. Saika nibaby faharesena an-jaridaina ny zoma teo ny Al khor nanoloana ny andrarezina Arabi raha tsy nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 72 tamin’ny alalan’ny penalty ity Malagasy ity. Efa nitarika 2 noho 0 hatreo amin’ny minitra faha 71 moa ny mpifanandrina. Tany amin’ny minitra faha 93 kosa vao naha sahala ny isa ho 2 noho 2 tamin’ny alalan’ny daka mandrivorivon’I Helal Mohammed ny Al khor. Isan’ireo ekipa matanjaka ao Qatar ny Al Arabi saingy hita ho mbola afaka manatsara ny tekinikany kosa ry Amada sy ny Al khor ary manana hejirika azony andrombahana ny amboara ho amin’ity Qatar stars league 2020-2021 vao miandoha ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT