Sport

Pro League Tonga amin'ny tsontsori-mamba hisarahana amin’izay


  • Talata 23 Mey 2023

Ho fantatra amin'io faran'ny herinandro io ireo ekipa efatra hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Hangotraka noho izany ny lalao na dia nahery fiavy aza ry zareo any amin'ny vondrona avaratra.

Marihina fa fandresena telo no azony ary ady sahala indray mandeha.. Ny sabotsy izao eny Vontovorona no hihaona ny COSFA sy Mama.Nandresy talin'ny 1 noho 0 ny miaramila tamin'ny lalao mandroso nefa hinoana fa hamaly bontana ny Mama . Mbola ny sabotsy ihany ary amin'ny 2 ora sy sasany toy ny lalao rehetra dia handray ny Fanalamanga kosa CFFA Manatombo isa iray ry zareo Moramanga sady tsara fiarovantena ka hosahirana ireto olon'i Tota ireto. Raha velona tsara anefa ry Carlos sy Lalaina dia tena hiady ny lalao Ny alahady indray eo amin'ny By Pass no handray ny Ajesaia ny Elgeco Plus Nosaraka tsy nisy naratra 2 noho 2 ny lalao mandroso ka mbola tokony hifampitana ny roa tonta. Ny indro kely dia ny tsy maha eto antoerana an'i Nina nefa asa raha misy hifandraisany ny nanemorana herinandro ny lalao miverina fa tokony ho mailo ihany ny Ajesaia. Farany dia ny lalao hihaonan'ny Fosa Juniors sy ny Disciples FC any Mahajanga. Efa nandresy 3 noho 1 ny Fosa sady mbola milalao ao an-tokontaniny ka hosarotra ihany ny miandry an'i Tendry sy ny namany . Asa anefa aloha sao dia efa tonga aty ilay antsoin'ny Espagne hoe remontada.Enga anie, hoy Mamisoa Razafindrakoto mpanazatran'ny Disciples .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT