Sport

Pro League Lasa ny CFFA sy Elgeco


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Nandresy tsy niady ny 3FB Toliara ny CFFA omaly satria dia tsy tonga ilay mpifanandrina aminy. Ary raha izao no fandehany izao dia tsy ho avy hiatrika ny Elgeco Plus ihany koa ny 3FB.

Ary tsy misy azo hatao fa dia mivarina kilasy izany ny 3FB satria na hitaraina aza mbola i Tota ihany no sady filohan'ny CFFA no Filohan'ny Ligy Analamanga no mbola filohan'ny Pro League. Hany herin'ny mpanohana ny Toliara maneho ny alahelony mikasika ity toe-javatra ity. "Tsisy hamenara sasy raha toy", hoy ny kiaka an'ity mipetraka ao Tsianaloka. Ny CFFA sy ny Elgeco Plus izay mbola nandresy 2 noho 1 ny JET Kintana omaly tao antokotaniny izany no tafita hiatrika ny playoffs. Mbola mila mandresy anefa ny CFFA amin'ny alahady mba hijanona amin'ny laharana voalohany mba tsy tonga dia midona amin'ny Fosa Juniors sy ry Tsiry. Raha tsy hoe manao ny ataony indray ny.... mpitsara. Ary dia tonga amin'iny fitenin'i Maître Kira izay manao hoe Antananarivo ity maro raha hita.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT