Sport

Pro League Famaranana kely ny adin'ny MAMA sy Disciples


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Tonga amin'ny tsotsorimamba hisarahana ny Disciples FC sy ny MAMA izay hihaona etsy amin'ny By Pass ny alahady ho avy izao ao anatin'ny andro faha 14 ny Orange Pro League.

Azo lazaina fa tonga dia tsy tafita amin'ny playoffs mamtsy izay resy ary na sahala fotsiny aza dia loza ho an'ny Disciples. Loza satria sarotra ny hino fa tsy hibata fandresena any Toliara ny Zanakala manoloana ny 3FB. Manana ny olona ampy anefa ity Disciples ity fa tena tsy fantatra na ny mpanazatra no tsy maharaka na ny tsy maha eo ny filoha mpitarika Rija. Andria fa toa miraviravy tanana ny rehetra taorian'iny faharesena nanoloana ny CFFA sy Elgeco Plus iny. Ny olona ivelana anefa niaky fa manana mpilalao ny Disciples raha tsy hiteny afatsy ireo Barea CHAN misy an'i Tendry, Ando Rakotondrazaka na koa Tantely. Manginy fotsiny ny fananany an'i Mando, Coka sy Dahery. Tena tokony hibata anboara mihintsy azy ity ekipa ity raha misy fahavononona kely toy ny natsony tany Manakara teo ka nampibabeny kitra ny Dato tamin'ny isa 6 noho 1. Toy izao indray ny fandaharan-dalao amin',ity herimandro ity. Alakamisy 20 aprily Kianja Antsiranana ASA Nosy Be # AS Fanalamanga Sabotsy 22 aprily Stadium Elgeco Plus 2.30 :Elgeco Plus # CFFA Alahady 23 aprily Kianja Maître Kira 2.30 : 3FB # Zanakala Stadium Elgeco Plus 2.30 : Disciples FC # MAMA FC Stade Rabemananjara 2.30 : Fosa Juniors # COSFA Antsiranana 2.30: ASA # Ajesaia .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT