Sport

Pro League Efa hiditra any amin'ny playoffs


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Efa ekipa iray sisa no handrafitra ireo hiatrika ny playoffs Taorianan'iny Fosa Juniors izay efa tena lasa lavitra ary ny

Cosfa dia fantatra koa izao fa efa tafita ny CFFA raha ny kajijajy Lalao roa sisa no miandry an'Andoharanofotsy dia ny hihaonany amin'ireo ekioa roa farany ao amin'ny vondrona atsimo dia ny 3FB Toliara ny alarobia izao amin'ny 10 ora etsy amin'ny Stadium Elgeco Plus Ny sabotsy eo amin'io toerana io ihany ny olon'i Titi Rasoanavo no handray ny JET Kintana. Ity farany indray dia mbola hihaona amin'ny Elgeco Plus ao antokotaniny ny alarobia izao amin'ny 2 ora sy sasany. Ny laharana faharoa ao amin'ny vondrona atsimo izany no mbola teboka. Na izany aza dia ny Elgeco Plus no tombanana ho tafita na dia mbola ny MAMA aza no laharana faharoa taorianan'iny andro faha 13 iny. Toa izao kosa ny fabdaharan-dalao ny faran'ny herinandro .

Sabotsy 15 aprily
Kianja Alarobia 2.30 : Uscafoot # Fanalamanga Stadium Elgeco Plus 2 30 : CFFA # Jet Kintana

Alahady 16 aprily Kianja Ambohidratrimo 2.30 : Tsaramandroso # Ajesaia Kianja Rabemananjara 2.30 : Fosa Juniors #:Tia Kitra Kianja Antsiranana 2.30 : ASA Nosy Be # COSFA Stadium Elgeco Plus 2.30 : Elgeco Plus # 3FB Toliara Kianja Ampasambazaha 2.30 : Zanakala # MAMA Kianja Manakara 2.30 : Dato # Disciples .

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT