Sport

Prize money Lasa 60 isan-jato ny an'ny mpilalao sy ireo Staff


  • Alarobia 10 Mey 2023

Hita ihany ny marimaritra iraisana teo amin'ireo Barea CHAN sy ny FMF na dia miaro tsindry ankolaka azy izany noho

ny toro-marika na baiko koa aza avy amin'ny Filoha Rajoelina izay naniraka ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena hanelanelana. Tapaka tamin'ny fivoariana omaly ary fa ny 60 isan-jaton'ilay 500 000 dolara no lasan'ny mpilalao sy ireo staff. Izany hoe raha raisina tamin'ny fanazavana avy amin'i Dax izay efa nahazo 25 tapitrisa ariary raha mbola 30 isan-jatony no resaka dia mazava ho azy fa handray 50 tapitrisa ariary tsirairay izy ireo. Tafiditra ho isan'ireo staff ireo i Jocelyn Razafimamonjy tompon'ny Nino sady mbola mpampiakanjo no mpikambana ao amin'ny FMF Toraka izany koa i Vola izay mpaka sary ary i Lopez izay mpangorona ny fitaovana. Izay moa no anjarany ka hatao ahoana. Na izany aza dia mbola nankinina amin'ny Federasiona ny fitsinjarana ny 40 isan-jatony sisa ary tsy hatao mahagaga raha ho fihininy ho azy ny 30 isan-jatony satria ho sarotra ho an'ny ligy 7 nanana mpilalao tao na ireo klioba no hamaritra ho izao na izao sady ny marina tsy hanana mpiaro toy ireo mpilalao izy ireo. Tapitra eo izany ity raharaha toa vain-drahalahy sady marary no mahamenatra ity. Ny mety hiseho any aorina dia tsy ahita rirany amin'ny fifidianana ho avy io ireo 11 mandrafitra ny FMF amin'izao io. Lasa nahazo laza ratsy mantsy noho ny fitavozavozana eo amin'ny fitantanana Ary raha efa misy fomba fitsinjarana io Prize money io nefa tsy narahan'ny FMF dia mety hilatsaka indray ny sazy hoe misy fitsabahan'ny Fanjakana malagasy indray. Ary izay no tena loza.
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT