Sport

Prize money » an’ny Barea CHAN Tsy mety milamina ny raharaha hatreto…


  • Talata 09 Mey 2023

Mbola adihevitra tsy vita ny raharaha fitsinjarana ilay « Prize money » mitentina 500 000 dolara azon’ny Barea A’ tany amin’ny CHAN 2023.

Namoaka ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra omaly, fa ny 50% ho an’ny mpilalao, 10% ho an’ny klioba, 5% ho an’ny ligy, 5% an’ny Pro League, ary 30% an’ny Federasionina. 24 ora taorian’ny antso nataon’ny Filoham-pirenena io. Mbola tsy tapitra anefa ny adihevitra ka betsaka no milaza fa tokony ho ny 70% no omena ny mpilalao, ary ny 30% dia izay hitantantan’ny FMF azy sy izay homeny azy. Voalaza mantsy fa 70% no nositrahan’ny mpilalao tamin’ny vokatra azo nandritra ny CAN 2019. Ny FMF kosa no tonga dia nanapaka an’io fitsinjarana navoakany tamin’ny tambajotran-tserasera io fa tsy nisy fifampidinihana, ka noraisin’ireo mpilalao ho tsy ofisialy. 30% moa no voaresaka tany aloha, saingy io niova ho 50%, kanefa mbola tsy tapitra hatreo ny adihevitra. Mandeha ihany koa ny fanamarihana fa tamin’ny voalohany ny taratasy avy any amin’ny FIFA tsy misy resaka Orange Pro League ka foana indray ve ilay taratasin’ny Fifa? Ny tany dia hoe: homena ny klioba dia omen any ligy? Voalaza fa nisy ny fifampidinihana teo amin’ireo mpilalao niaraka tamin’ny mpanazatra sy ny Minisiteran’ny fanatanjahantena omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT