Sport

Prize money” 500 000 dolara tamin’ny CHAN Sosotra noho ny tsy fangaraharana ireo mpilalao


  • Zoma 05 Mey 2023

Mivoaka ao amin’ny fahanginany ireo mpilalaon’ny Barea izay niatrika ny lalaon’ny CHAN 2023 tany Algérie farany teo. Mbola tsy nandray ny " Prize Money "

izay loka na fankasitrahana nomen'ny CAF tamin'ny CHAN 2023 tamin’ny janoary, mitentina 500.000 dolara na ny staff na ny mpilalao niatrika izany. “…Ny marina dia mbola tsy azonay mpilalao sy staff izay ny anjaranay fa mbola miandry an’izany taratasin’ny CAF sy ny FIFA izany hono e! (…) Mitaky ny vidinkatsem-bohanay izahay tompoko fa tsy mangataka vary hoanina any aminareo . Aza adino ry mpikamban’ny federasionina izay tany Algérie fa niresaka tsara isika fa atao milamina sy mangarahara io . 500 000 dolara ny vola ao ary efa ela be no tonga tao fa mbola ampangotrahina ve sa mbola atao inona? Ny anay dia mitaky ny anjaranay izahay fa tsy miditra amin’izay vola omenareo an’ny ligy zany. Tsy andraikitriny “prize money” an’ny CHAN Tompoko no miantoka ny ligy izay fehezinareo ao amin’ny Federasionina…”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’I Dax Andriamirado Kapitenin’ny Barea. “Mafy be ny sedra niainanay teny Carion fa aza mody hodina fanina . Tsy misy jiro tsy misy rano”, hoy izy nanamafy fa miandry ny mangarahara. “Leo kolikoly! Leo jadona! Leo ny fanaovana ankilabao sy fandrirariràna tompoko. Aza anaovana tsindry hazolena sy kely tsy mba mamindro izahay mpilalao sy mpanazatra ary staff izay mba niady sy nanao ainay tsy ho zavatra hoan'ny voninahi-pirenena. Mitaky ny zonay izahay ny amin'ny "prize money". Ataovy mangarahara araka izay toky sy fampanantenana fa tsy hoe rehefa azo ilay izy dia izay tinareo ao amin'ny federasiona anaovana azy tampoka ndray hoe mbola anomezana an'i Rakoto sy Rabe. Mangataka ny taratasy lazainareo avy amin'ny FIFA izahay tsy omenareo. Roa Volana izahay tsy nahita vady aman-janaka, tsy nanao an'izany atao hoe fety izany noho ny fitiavan-tanindrazana ary nikiry mba ahazo izay valin-katsembohanay. Tsy misy fifampiresahana amin'ny ho anjaranay amin'ny vola 500.000$ izay azo tamin'ny fifaninana fa tsy fanampiana avy amin'ny FIFA na CAF”, hoy kosa I Ando Rakapy. “… Tampotampoka teo, misy miteny amin'izao fotoana izao fa misy an'izany taratasy avy amin'ny FIFA izany milaza hono fa hanomezana ny ligim-paritra sy ny klioba indray io vola io. Aiza izany taratasy izany!? Maninona no misy an'izany tampoka teo (…) Aok'izay ny mety ho endrika fametsifetsena ny mpilalao. Omeo anay ny zonay sy ny anjaranay. Aoka izay niady sy namono ny voay no hiravaka ny vanginy”, hoy ihany koa I Carlos. Tamin’ny tambiny azo noho ny vokatra tamin’ny CAN 2019 no efa nisy resaka tsy fahazoan’ny mpilalao araka ny tokony izy ny tambin’ny ezaka nahatafakarana ampahefa-dàlana, saingy io miverina io indray. Hoentina aiza marina ilay kitra Malagasy e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT