PRIX RISING STAR

Norombahin’ny Ravinala Airports


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Norombahin’ny Ravinala Airports amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana

an’habakabaka tarihin-dRamatoa Rakotozafy Tatamo sy ny sampandraharaha misahana ny varotra ao aminy ilay prix rising Star izay natolotra tany Insanblul Turquie, andro vitsy lasa izay. Ity Renim-pianakaviana ity no nandray ny valisoa mifandraika amin’izany vokatry ny ezaka nataony sy ny fananan’izy ireo traikefa matihanina amin’izany sehatra izany.Ny prix rising raha tsiahivina dia mari-pankasitraka mendrika tamin’ny asa natao toy ny asa nataon-dRamatoa Rakotozafy Tatamo teo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka eto amintsika. Nataony izany hampiroboroboana ity sehatra ity izay tsy mijanona eto amin’ny Nosintsika ihany fa hatrany Afrika sy ny ranomasimbe Indiana mihitsy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tanjon’ny Ravinala Airports moa izany dia ny hahatonga azy ho orinasa maodely sy fakan-tahaka aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatramin’ny taona 2025. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro rahateo izy ireo, ny Ministeran’ny fizahantany….Tsiahivina moa fa efa tamin’ny taona 2019 no nametrahany izao paikady izao ka nihitaran’ny asa fitaterana an’habakabaka hatrany amin’ny 8%. Anisan’ireny ny mampitohy an’Antananarivo sy Nosy Be izay tantanan’ny Ravinala Airports sy ny fisokafan’ny zotram-piaramanidina vaovao tantanan’ny Corsair fly mampitohy ny Nosy La Reunion sy Antananarivo raha eo koa ny avy any Nosy Be miazo an’i Pologne.


Pati
Legende Ramatoa Rakotozafy Tatamo nandray ilay mari-pankasitrahana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT