Sport

Poule des As « Thb Champions League 2018 » Mitarika vonjimaika ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Mitarika an’isa vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny amin’ny fifaninanana “Poule des As Thb Champions League Malagasy 2018” ny

ekipan’ny Fosa Juniors Boeny manana isa 6 taorian’ny nandreseny ny Cnaps Sport Itasy omaly alahady 12 aogositra tany amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga eo amin’ny andro faharoa an’ity fifaninana ity. Mitana ny laharana faharoa vonjimaika ny Cnaps Sport (+1). Laharana faharoa mitovy saingy (0) ny Fcv Vakinankaratra izay afa-bela fa nandresy mazava 3-1 an’i Elgeco Plus Analamanga omaly alahady 12 aogositra ihany tao amin’ny kianja Velodrôme Antsirabe. Mazava loatra fa ny Elgeco Plus Analamanga mbola tsy manana isa izany no mitana ny laharana faha-4 vonjimaika amin’ity fifaninana ity. Amin’ny alahady 19 aogositra izao andro faha-3 dia handray ny Fosa Juniors Boeny any Antsirabe ny Fcv Vakinankaratra ary ny Cnaps Sport Itasy kosa eny amin’ny kianja Vontovorona dia hampiantrano an’i Elgeco Plus Analamanga samy amin’ny 14:30 avokoa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT