Sport

Poule des As Mitarika an’isa lavitra ny Fosa Juniors Boeny


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Voatazon’ny Elgeco Plus Analamanga ady sahala 0-0 ny Cnaps Sport Itasy tetsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 01 septambra teo amin’ny fifaninanana baolina kitra Poule des As 2018 andro faha-4 na dia efa nilalao 10 hatrany amin’ny minitra faha-23 nahazoan’i Dinho

 

kapiteniny karatra mena aza ny Elgeco Plus. Nitoko isa 1 ihany izany ity farany aty amin’ny andro faha-4 ity fifaninanana ity. Mitarika an’isa lavitra (10) ankehitriny ny Fosa Juniors Boeny izay nandresy ny FCV Vakinankaratra omaly alahady 02 septambra teo amin’ity andro faha-4 ny Poule des As ity. Faharoa vonjimaika izany izao ny Cnaps Sport Itasy isa 7, mijanona ho 4 ny isan’ny FCV Vakinankaratra laharana faha-3. Amin’ny 16 septambra no hanatanterahana ny andro faha-5 amin’ity fifaninanana ity ka any Antsirabe : FCV handray ny Cnaps Sport ary any Mahajanga : ny Fosa Juniors hampiantrano ny Elgeco Plus.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT