Sport

Poule des As andro faha-2 Tena hangotraka ny lalao any Antsirabe


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Lalaon’ny samy efa nandresy no hotontosaina any amin’ny kianja Rabemanjara any Mahajanga amin’ny alahady 12 aogositra ho avy izao eo amin’ny andro faha-2 amin’ny “Poule des As Champion’s League Malagasy”.

Samy tsy maintsy hiady ny ho lohany samirery amin’izay ny Fosa Juniors Boeny mpampiantrano sy ny Cnaps Sport Itasy tompondaka farany izay samy manana isa 3 taorian’ny andro voalohany tamin’ny 5 aogositra teo. Tena lalao hangotraka ara-bakiteny kosa ny fifanandrinan’ny Fcv Vakinankaratra mpampiantrano sy ny Elgeco Plus Analamanga izay samy hihoitra tamin’ny faharesena azony avy tamin’ny andro voalohany. Raha ny marina dia hanala vela amin’ny Elgeco Plus ny Fcv Vakinankaratra izay efa resiny 1-0 tamin’ny lalao dingana 1 notontosaina tao Antsirabe ihany tamin’ny 29 jona 2018.

 

Vonona ny Fcv Vakinankaratra

Vonona tanteraka izahay handray ny lalao amin’ny alahady izao, hoy ny ben’ny tanànan’Antsirabe Razanakolona Paul sady filohan’ny Fcv-Cua Vakinankaratra tafaresaka an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana. Nasiana fanatsarana ny trano fiakanjoana “Vestiaire” ao amin’ny kianjan’i Velodrôme aty an-toerana, hoy izy, ary nokarakaraina notondrahina tsy tapaka efa elaela ihany izay ny bozaky ny kianja. Vonona ihany koa ny mpilalaon’ny Fcv, hoy izy, efa nanao mise over raha vao tafaverina teto Antsirabe. Salama tsara avokoa izy rehetra ary ambony tokoa ny morale. Tokony mba hojeren’ny tompon’andraikitra amin’izay anefa ny amin’ny resaka “Coup d’arbitrage” mateti-pitranga rehefa milalao ny Fcv, hoy ity filohany ity.

 Tsy maintsy handresy indray ny Elgeco Plus

Tsy maintsy handresy ny Fcv toy ny tamin’ny dingana voalohany indray ny Elgeco Plus, hoy ny filohany Alfred tafaresaka tamin’nyTia tanindrazana ihany koa omaly. Efa zatra ny kianjan’i Velodrôme ireo mpilalaonay, hoy izy, ary hilalao avokoa ireo mpilalao 4 mirahalahy tsy afaka nilalao tamin’ny andro voalohany ka ho kapiteny indray i Dinoh. Nanisy resaka mikasika ny mpitsara lalao ihany koa ity filohan’ny Elgeco Plus ity.


 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT