Sport

Poule des As 2018 Nivoaka ny kianja teo amin’ny minitra faha-82 ny Fosa Junior


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana Poule des As ao anatin’ny “Thb Ligue des Champions Malagasy 2018”.

 

 

Raha tafavoaka ho mpandresy  mazava 3-2 nanoloana ny Fcv Vakinankaratra ny sabotsy 22 septambra teo tetsy Mahamasina ny Elgeco Plus Ananalamanga dia tsy nety niakatra kianja intsony teo amin’ny famaranana ny lalao ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny rehefa nomen’ny mpitsara penality teo amin’ny minitra 82 noho ny fahadisoan’ny vodilaharany tamin’ny lohalaran’ny Cnaps Sport, Niasexe. Nahazo karatra mena ihany koa teo ny mpiandry haraton-dry zareo. Nodakan’ny Cnaps tsy nisy mpiandry tsatokazo araka ny baikon’ny mpitsara ny baolina ka lasa 1-0. Nanao fitarainana tamin’ny zava-misy ny Fosa Juniors Boeny.   Raha ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny lalao aloha dia efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny baolina kitra 2018 indray ny Cnaps Sport Itasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT