Sport

Poule des As 2018 Lavon’ny Elgeco Plus tao an-kianjany ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Raha tsy afa-bela tamin’ny CNaPS Sport Itasy ny Fcv Vakinankaratra fa resiny 2-0 indray tao amin’ny Velodrome Antsirabe omaly alahady 16 septambra teo amin’ny andro faha-5 amin’ny « Poule des As 2018 »

 

 (efa resiny tamin’ny isa 3-1  teny Vontovorona tamin’ny andro voalohan’ny fifaninanana) dia nahatontosa ny valifatiny kosa  ny Elgeco Plus Analamanga raha resy 2-1 tetsy Mahamasina ny 4 aogositra lasa teo satria dia nandresy an-kianjany ny Fosa Juniors Boeny tamin’ny isa 3-2 omaly alahady 16 septambra. Mbola mitarika vonjimaika hatreto ny Fosa Juniors Boeny na dia  samy manana isa 10 azy izy sy ny CNaPS Sport Itasy. Karazana lalao famaranana mihitsy izany ny andro faha-6 hifanandrinan’ny CNaPS Sport sy Fosa Juniors eny Vontovorona ny faha-23 septambra izao. Etsy Mahamasina kosa no handraisan’ny Elgeco Plus ny Fcv Vakinankaratra amin’io andro faran’ny « Poule des As 2018 » io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT