Sport

Poule des As 2018 andro faha-3 Vonona handray ny Fosa Juniors Boeny ny Fcv Vaknà


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Miditra amin’ny andro faha-3 ny fifaninanana Poule des As “Champion’s League Malagasy 2018” rahampitso alahady 19 aogositra 2018 ka ny kianja Velodrôme Antsirabe sy ny kianja sentetikan’i Vontovorona no handray an’ireo fihaonana roa samy hanomboka amin’ny 2:30 avokoa.

Etsy Vontovorona ary dia handray ny Elgeco Plus Analamanga mba hitady fandresena amin’izay ny Cnaps Sport Itasy. Any Antsirabe kosa dia hampiantrano ny Fosa Juniors Boeny izay mitarika an’isa vonjimaika ankehitriny ny Fcv Vakinankaratra. Vonona izahay handray ny ekipan’i Boeny, hoy i Paul Razanakolona filohany, ary tsy hoe vonombonona fotsiny fa tena manana moraly ambony ny handavo ny Fosa Juniors mihitsy ka handrombaka ny laharana voalohany vonjimaika. Tsara tohana tokoa ity ekipan’ny Fcv Vakinankaratra ity rehefa milalao eo amin’ny kianjany fa sady hainy tsara io kianja io no manohana azy tanteraka ny mpijery baolin’Antsirabe mpilalao faha-12.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT