Sport

Politikan’ny baolina kitra Malagasy “Mondial” no tanjona, hoy ny filohan’ny FMF


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Mbola nampita hafatra ho an’ny Malagasy tamin’ny alalan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena teto Antananarivo omaly alarobia 05 janoary 2020 ny filohan’ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra”,

 

 

Arizaka  Raoul Rabekoto  Romain, ka nilazany fa “Tsy maintsy tafita no tanjona ho an’ny baolina kitra Malagasy.  Voady efa natao io, ary tsy ho solafaka an-dalana isika eo amin’ity taranjam-panatanjahantena iray ity. Efa noporofoina tamin’ny fakan-kevitra nandritra ny fihaonambem-pirenena ho an’ny baolina kitra teny Ivato tamin’ny herinandro lasa teo”, hoy izy fa manana ny politika izay apetraka amin’ny ho fampiroboroboana ity taranja iray ity ny tenako. Tsy hampidirany resaka Politika Politisianina ny fitantanana ary hatao madio tahaka ny nataoko teo anivon’ny CNAPS  . Efa mianga isika izao ary efa nanitsaka ny CAN ka nanakoako maneran-tany ankehitriny izany  Barean’i Madagasikara izany. Ny hirariana dia ho tojo  hatrany amin’ny “Mondial”  ny baolina kitra Malagasy. Ho lohalaharana amin’ny fitarihana ny Barea ho tonga amin’ny tanjona ny tenako sy ny Federasiona tarihako, hoy hatrany Atoa Arizaka Raoul. Aoka tsy afangaro amin’ny resaka politika maloto ny ezaka ataon’ny mpitantana tahaka izao ataon’ny federasionan’ny baolina kitra izao. Tsy mahakivy sanatria, hoy izy namarana ny teniny, ny resabe atao  amin’ny tenako amin’izao fa vao mainka aza hampirisika ahy hizotra any amin’ny tsara hatrany. Mampalahelo, hoy izy, fa matetika ny olona manam-piniavana hanao zavatra tsara no hipoiran’ny indro kely hatrany. Manome toky anefa aho fa hampiasa ny fahaizako manontolo hampisongadina an’ity baolina kitra Malagasy ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT