Sport

"Pique-nique géant FRESH" Hafana ny fiarahana amin’ny AmbondronA sy Zay


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.

Pique-nique geant fresh" no anarana nampitondrainy azy io, fitsangatsanganana goavambe hotanterahina eny amin’ny Park Analamanga, lalam-pirenena fahafito ny datin’ny Alatsinainy 29 May ho avy izao. Ho avy hanafana nylanonana mandritra izany ny tarika AmbondronA sy ny Groupe 'Zay izay marihina fa mpanakanto samy manana ny maha-izy azy avokoa. 5.000 Ar ny vidim-pidirana amin’izany raha araka ny tafa fohy nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Eny an-toerana ihany koa mandritra ny andron’ny fampisehoana vao afaka jifaina ny tapakila ka mahazo zava-pisotro fresh maimaim-poana ny mpitsangatsangana tsirairay eo am-pidirana. Ho hita amin'io fotoana io ny endriky ny vokatra Fresh hoy hatrany izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Ho an’ny tarika AmbondronA manokana moa dia anisan’ny hanomezana aina ny fampisehoana mandritra izany ireo karazan-kira nahafantarana azy sy hankafizin’ny mpanjifa rehetra hatramin’izay. Am-polony ireo hira hoventsoiny raha toraka izay ihany koa ny an’ny groupe Zay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT