Sport

Philibert mpilalaon’ny Fco Mahajanga fahiny “Tsy miala amin’ny sehatry ny baolina kitra izany aho”


  • Zoma 31 Janoary 2020

Tsy dia tazana firy nandritra ny fotoana maharitra fa nipoitra tampoka indray teny amin’ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny Mining

 

 

Business Center teny Ivato tamin’ny talata 28 sy alarobia 29 janoary 2020 i Philibert mpilalao baolina kitra irakiraka tao amin’ny ekipan’ny Fco Mahajanga fahiny “Fortior Club de la côte Ouest” niaraka tamin-dry Philémon sy ny namany. Nivezivezy teto Antananarivo sy tany Mahajanga matetika aho noho ny asa aman-draharaha ataoko, hoy izy, fa tsy dia mba tia sehoseho loatra ka tsy dia fantatry ny olona. Tsy miala amin’ny sehatry ny baolina kitra izany aho fa mbola miakatra kianja milalao amin’ny sokajy veteran miaraka amin’ireo namana rehetra dia izao manatrika ny fihaonambem-pirenen’ny baolina kitra izao noho ny fitiavana an’ity taranja ity. Marihana fa i Philibert no mpanazatra nitantana ny ekipan’ny As Adema Analamanga voalohany indrindra fony ity ekipa ity tafakatra ho D-1 voalohany teto Antananarivo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT