Sport

Perfect Fighting Commission Nisongadina ry zareo Tsunami


  • Talata 29 Septambra 2015

Mpikatroka 62 avy amina klioba 13 no nandray anjara tamin’ilay fifaninanana fah-3 sady fanokafana ny taom-pilalaovana vaovao ho an’ny Perfect Fighting Commission natao ny sabotsy tolakandro teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina

 


. Nisongadina tamin’ny ankapobeny ireo mpikatroky ny Tsunami Mahamasina tamin’ny Pacrace. Anisan’ny nitondra avo ny anaran’io klioba io i Jean Patience izay nandresy tamin’ny fampitsaharan’ny mpitsabo ny ady (technical KO) raha nifanandrina tamin’i Eddy (GAAM), tamin’ny sokajy -61kg. Anisan’ny nanamarika ny fotoana koa ny nandavoan’i Anthony (CSLA) an’i Naina (Red Devil) tamin’ny sokajy -75kg. Ady niisa 31 moa no tontosa nandritra io tolakandro io, 18 tamin’ny pancrace, 4 tamin’ny kempo ary 9 ny MMA. Fa nanamarika faramparan’ny fotoana tamin’io ny fifampihantsiana imasom-bahoaka ary tapaka fa hiakatra ringa hifandona amin’ny MMA ny 21 novambra eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina hatrany ka ady roa no efa voarafitra. Hifandona amin’ny sokajy 71kg i Fanomezantsoa Mamy (Red Devil) izay 37 taona sy Andrianandrasana Danny Betanana izay 27 taona. Hifanandrina amin’ny sokajy 67kg koa Ranantenaina Boyca (Cospn) 32 taona sy Andriamandry Matelot izay 23 taona (Red Devil). Nambaran-dRakotonind­riana Parfait filohan’ny PFC fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny federasiona iraisampirenen’ny kempo ny fahafahany misahana ny fampiroboroboana io taranja io eto Madagasikara. Amin’ny fiandohan’ny novambra dia hisy ihany koa fiofanana hotarihina manampahaizana renioney ho an’ireo teknisianina malagasy.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT