Sport

Paul Pogba Hifindra any amin’ny Real Madrid


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Hifarana amin’ity taom-pilalaovana ity ny hilalaovan’ilay kintan’ny baolina kitra Frantsay, Paul Pogba tompondaka eran-tany 2018, ao amin’ny ekipan’ny Manchester United Anglisy, araka ny nambarany tamin’ireo namany ao amin’ny Red Devils.

 

 

 

Hiala ato amin’ny Manchester United aho, hoy izy, fa nahakivy ahy ny vokatra azon’ny ekipa teo amin’ny ligue voalohany Anglisy fa tsy tazana raha tsy tany amin’ny laharana faha-6  ry zareo tamin’ity taom-pilalaovana ity. Marihana fa tamin’ny volana aogositra 2016 i Paul Pogba no nanomboka nilalao tao amin’ny Manchester United rehefa novidian’ity ekipa ity  “105 tapitrisa euros tamin’ny Juventus de Turin nilalaovany teo aloha. Efa fantatra ny klioba vaovao handrian’ny fon’i Pogba hilalaovana amin’ny taom-pilalaovana ho avy dia ao amin’ny Real Madrid hiaraka amin’ilay mpanazatra Zinedine Zidane. Efa namaly ny mpanao gazety tamin’ny  volana martsa teo ity mpanazatra ity fa ankasitrahany tanteraka ny handray an’i Pogba ho mpilalao miaraka aminy. Mazava ny tanjona tian’i Paul Pogba hotratrarina dia ny handrombaka ny amboaran’ny champions League any Eoraopa indray.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT