Sport

Patrice Beaumelle sy Rakool Ho lasa mpiara-miasa akaiky


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Ho lasa mpiara-miasa akaiky izany manomboka eto ilay mpanazatra malaza, Patrice Beaumelle, sy ny lohalaharan’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra na Barea,

Koloina Razafindranaivo na Rakool, satria ity tekinisianina frantsay ity indray manomboka izao no nifanarahan’ny klioba izay ilalaovany ao Alzeria, Mouloudia Club d'Alger, hanazatra an-dry Rakool sy ny namany ao. Efa mpanazatra mpanampy ny teknisianina frantsay malaza, Hervé Renard, niaraka tamina ekipa afrikanina maro ity mpanazatra ity ary farany teo moa izy dia nanazatra ny ekipam-pirenena Ivoarianina. Herintaona sy tapany no faharetan’ny fifanarahan’i Beaumelle amin’ny MCA ary handraisany karama 25.000 Euros isam-bolana izany. Ho avy any an-toerana hiaraka aminy moa ny mpanoman-tena iray sy mpanazatra mpanampy iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Inoana, araka izany, fa tombony goavana ho an’I Rakool izao fiaraha-miasa izao hampivoatra ny tekinika sy takitikany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT