Sport

Patrice Beaumelle – Mpanazatra an’i Cote d’Ivoire « Mafy ny ady amin’ny ekipam-pirenena Malagasy »


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Nanambara omaly ny mpanazatra ny ekipam-pirenena ivoarianin’ny baolina kitra, Patrice Beaumelle, fa naharesy lahatra mpila ravinahitra miisa dimy milalao anatina klioba divizionina voalohany italianina handrafitra ny Elefantan’i Cote d’Ivoire.

 

 

 Mafy ny ady, hoy izy, fa ny ekipam-pirenena Malagasy taloha izay resintsika in-telo dia nivoatra be. Raha ny fanazavany hatrany dia ahitana vodilaharana miisa 2, mpiandry harato 1, lohalaharana miisa 2 ireto mpilalao voaantso vaovao ireto. Ho ambara tsy ho ela, hoy izy, ny momba azy ireo. Na dia mikorontana aza ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina ao an-toerana noho ity fandrarana ilay kintana fahiny, Didier Drogba, ity dia hita ho miezaka mametraka ambiansy handaminana ny sain’ireo mpilalaony sy ny mpanohana ny Elefanta ity mpanazatra ity. Tsy vao sambany anefa, raha tsiahivina, ny nananan’ity ekipa ity, lisitra mitandroka toy izao saingy in-droa resin’ny Egyptianina izay tsy dia nanana mpilalao malaza firy ihany izy ireo nandritry ny taona 2006. Ny fahaiza-miaraka anaty ekipa noho izany no tena antoky ny fahombiazana ary azon’iza na iza resena ireto Elefanta ireto.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT