Sport

Parfait Rakotonindriana Mbola namiratra ny fiverenany niakatra ringa indray


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Mbola tena namiratra tokoa ny fiverenan’i Parfait Rakotonindriana niakatra ringa indray tamin’ny sabotsy 14 martsa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, tao anatin’ny hetsika « The Number One »

 

 

 

 nokarakarainy niaraka tamin’ny Gfc « Global Fighting Championship » tantanan’Atoa Guillaume Tissut.  Hita ny maha-mpampianatra sy maha-teknisiana matotra azy tamin’izany.  Voahaja avokoa ireo fandaharam-potoana nalahatra rehetra tamin’ity hetsika ity dia ny fiakaran’i Parfait tompondaka eran-tany in-2 teo amin’ny taranja Savate Boxe Française tamin’ny 1997 sy 1999 ka mbola namerenany indray ny hetsika “Chassé Bas” teo amin’ity taranja ity izay  nampitologaga ny tany ivelany tamin’izany fotoana izany. Marihana fa i Bary Razarason BCT – 57 kg no nifanandrina taminy tamin’io “match de demonstration Savate Boxe Française” io. I Marc Razafindrabe no niara-niakatra an-tsehatra taminy teo amin’ny “match de demonstration Boxe Anglaise” ary i Rija avy amin’ny Cospn kosa no nifanandrina taminy teo amin’ny Kick Boxing. Fampisehoana amin’ireo tanora mpiangaly haiady ankehitriny fa mbola mahavita izahay raha miakatra ringa indray, hoy i Parfait, sady ho famporisihana azy ireo sy mba hahazo lalao maromaro ihany koa no antony nikarakarana ny hetsika . Tontosa avokoa ireo ady 24 nalahatra tamin’io sabotsy io. Tazana nijery ny hetsika koa ireo mpikatroka avy any ivelany saika handray anjara tamin’ny hetsika izay efa tonga talohan’ilay taratasy fanakanana avy amin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena fa tsy nahazo niakatra an-tsehatra noho izany. Io no somary nampahalatsa-danja kely  an’ity fifaninanana ity, hoy hatrany i Parfait, fa mampanantena ny hikarakara andiany faharoa amin’ny “The Number One” andiany faha-2 ho tontosaina amin’ity taona ity ihany ka handraisan’ireo vahiny ireo anjara.  Teo am-pamaranana dia nanipy teny fohy ho an’ny mpitondra fanjakana sy mpiahy ny fanatanjahantena eo amintsika, i Parfait,  mba hampotoviana amin’ny fikarakarana ny BAREA an’ireo taranja fanatanjahantena hafa rehetra.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT