Sport

Papa Diouf – Olympique de Marseille Lavon'ny coronavirus


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Lavon'ny coronavirus teo amin'ny faha-68 taonany tamin'ny talata 31 martsa 2020 lasa teo tany Dakar Sénégal ilay filohan'ny klioba OM




"Olympique de Marseille" Frantsa (2005-2009). Saika naverina tany
Frantsa izy raha vao hita fa nifindran'ny tsimokaretina coronavirus
tany Senégal nefa dia tsy tanteraka izany.
Marihana fa efa nisahana ny asana fanaovan-gazety tany Marseille i
Papa Diouf tamin'ny taona 1980 ary mpiaro manokana ny tombontsoan'ireo
mpilalao malaza toa an'i JOsph-Antoine Bell, Marcel Desailly, Basile
Boli, William Gallas, Samir Nasri, Didier Drogba sns...
Tamin'ny taona
2004 izy no lasa mpitantana tao amin'ny OM ary lasa filoha tamin'ny
taona 2005. Nitondra avo ny fampandrosoana ny baolina kitra Frantsay i
Papa Diouf ka lasa mpitarika fivoriana avo lenta ary nifampitadiavana
teo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena avy amin'ny fahitan'i Robert
Louis-Dreyfus azy tamin'ny taona 2009.

Ntsoavina Evariste




Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT