Sport

Paikadin’i Nicolas Dupuis Tsy mbola mandindona fiovana


  • Talata 20 Aprily 2021

Nialohan’ny fifanintsanan’ny tompondakan’I Afrika 2021 no nilaza ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 Nicolas Dupuis, fa ny CAN 2021 aloha izao no tena imasoantsika ny tompondaka eran-tany mbola lavitra ezaka. Nandeha ny fifanintsanana. Taorian’ny nandresen’I Cote d’Ivoire ny Barea tamin’ny isa 2 noho 1 tany Abidjan dia nilaza ny tenany fa fandresena amin’ny isa 1 noho 0 dia ampy anay amin’ny lalao miverina. Sahala 1 noho 1 moa no vokatra nony tonga teto an-toerana. Nialohan’ny lalao miverina tamin’I Etiopie indray no nilaza ity mpanazatra ity fa efa tsara raha manao sahala isika. Isa fanampiny na hoe “bonus” raha mandresy ary raha resy dia mbola misy lalao iray, izany hoe toy ireny efa niomana ny hizaka faharesena ireny ilay fanambarany fa ilay fihaonana farany tamin’I Niger farany teo no noheritreretina ahazoana ny isa 3 mameno ireo isa 7 efa nananantsika ka hameno azy ho 10 sy hahatafatra any amin’ny CAN 2021, raha toa ka nandresy an’I Etiopie ny ivoarianina. Ny zava-nitranga anefa avy eo dia nandresy ny Antilope tamin’ny isa mazava 3 noho 1 tokoa ny Elefanta saingy nitondra tany amin’ny tsy fahombiazan’ny Barea ny kanjy diso miantehitra amin’ny kisendrasendra sy eo eo ihanin’ingahy Nicolas Dupuis satria nahay nanidy trano ny Mena ka nahatana antsika 0 noho 0 tao Barikadimy na dia efa nandihizan’ny Barea tamin’ny isa mavesatra 6 noho 2 tao an-jaridainany aza. Mbola tsy nanova izay fomba firesaka mora mionona izay hatramin’izao ny Coach Nicolas Dupuis ary nilaza indray fa “tsara ny voalohany ao vondrona misy antsika amin’ny fifanintsanana (TTF: ho an’ny tompondaka eran-tany) fa aleo tsy dia mbola manantena loatra zavatra amin'ny fiatrehana ny amboara eran-tany satria mbola tena sarotra ho antsika izany... aleo ny CAN 2023 no omanina dieny izao." Ho ataon’ity mpanazatra ity ho solon’ny lalao fanomanan-tena “fotsiny” na ilay teny malaza amin’izao hoe “bonus” indray koa ve izany ny fifanintsanana ho an’ny tompondaka eran-tany fa tsy tena hampiady ny Barea hahazo izay laharana voalohany ao anaty vondrona J izay ny tenany? Moa ve tsy volam-panjakana no lany amin’ny fikarakarana lalao mandroso sy miverina amin’izy ity ? Tsy mbola mandindona fiovana ny paikadin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT