Nitsidika teto Madagasikara nandritra ny 10 andro ireo 7 mirahalahy mpilalao tranainy tao amin’ny ekipam-pirenena frantsay eo amin’ny taranja rugby à XV sady mpikambana ao amin’ny Pachamama rugby mpiara-miasa amin’ny Rcts na Rugby Clus Tanoan’i Soavimasoandro eny Imamba izay misy ny « centre » fitaizana sy fanabeazana ankizy natsangan’izy ireo.
Ny zoma 23 martsa teo izy ireo no nigadona teto Dago ary nivahiny herinandro tany Antsiranana ka nanatanteraka asasoa fanaon’ny fikambanana misy azy ireo ity ka nanolotra fanampiana ara-tsakafo an’ireo voafonja any an-toerana ary nanolotra koa fitaovam-pianarana sy fanampiana ara-panatanjahantena an’ireo fikambanana mpitaiza tanora tany Joffre Ville Antsiranana ihany. Ny sabotsy 31 martsa kosa izy ireo no nitsidika ny teny Imamba ka gaga nahita ny famefen’ny olon-kafa ny kianja fampiasan’ity ivotoerana natsangan-dry zareo ity izay saika mbola hanorenana tobim-pitsaboana vehivavy sy tovovavy ao anatiny. Na izany aza dia nisy ihany ny fampisakafoanan’ireto mpikambana 7 ny Pachamama notarihan’ny filohany, Jean-Baptiste Ozanne, ankizy niisa 400 izay beazina ao amin’ity ivotoerana Rcts ity sy fanolorana azy ireo ankanjo tanaty baoritra niisa 140. Marihana fa mahatratra 200 isan’andro ireo ankizy homen’ity « centre » eny Imamba ity sakafo fa eny amin’ny Epp mannodidina kosa izy ireo no mandrato fianarana. Fa misy kosa ireo mamaky boky sy mamita enti-mody ao amin’ny « Centre » ary mianatra teny frantsay sy milalao rugby rehefa alarobia hariva sy sabotsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.