Sport

Orinasa TELMA Handoa manontolo ny “prime de qualification” an’ny Barea


  • Zoma 24 Mey 2019

Tamin’ny anaran’ny maha mpikambana ao amin’ny “Commission de finance” azy ao amin’ny CAF no nanambaran’Atoa Patrick Pisal-Hamida “Administrateur Directeur Général de TELMA Madagascar”

 

 tarehimarika maromaro mikasika manodidina ny CAN 2019 tetsy amin’ny fihaonan’ireo “Club des Partenaire Association Barea CAN 2019” natao tetsy Antaninarenina omaly.  Nambara tamin’izany fa  ny Telma no handoa ny “Prime de qualification” tsy azon’ireo mpilalaon’ny Barea tamin’ny fifaninanana CAN 2019 satria tsy hita popoka, hoy izy ny vola niditra tamin’ny fihaonana roa farany natrehan’ny Barea teto an-toerana tamin’iny 2018 iny. Nambarany ihany koa fa anisan’ireo misitraka ny vola fanomen’ny CAF an’ireo firenena mpikambana ao aminy isan-taona ny Baolina kitra Malagasy. Hisy ihany koa ny “prime de qualification” (250.000 dolara ) ho azon’ny Barea, hoy izy ary ny hisy koa ny fanomezana “prime de participation à la CAN”. Hotoloran’ny CAF  lelavola 1.000.000 dolara, hoy izy, ny ekipa ho tompondakan’ny CAN 2019,  700.000 dolara no hatolotra ny faha-2, 600.000 dolara ny faha-3 ary 500.000 dolara ny faha-4. Tamin’ny fomba ofisialy ihany koa  no nanambarany fa delegasiona miisa 30 ka hatramin’ny 40 isak’ireo firenena mandray anjara amin’ny  CAN no hiantohan’ny CAF ary 5 andro alohan’ny fifaninanana no tokony hahatongavan’izy ireo any Egypte.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT